RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.

ANDILAMENA SY NY MPONINA AO AMINY


Araky ny efa voalaza teo aloha: Andilamena dia distrika iray ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro ary ahitana Commune miisa 08, ary Fokontany miisa 59 , izy dia distrika iray farany avaratra amin’ny faritra Alaotra Mangoro.
Hita aty Andilamena aty daholo rehefa foko eto Madagasikara; ary ny foko eto dia antsoina hoe foko “ANTANOSIMBOAHANGY”, marihina fa izy io dia tsy foko fa zana-poko (fitambaran’ireo foko rehetra izay nipetraka sy nonina teto), ary ny fiteniny dia fitenin-Tsihanaka mifangaro fiteni-na Tsimihety sady mandray Betsimisarakan’Analanjirofo izay fantatra amin’ny hoe: “fitenin’Antanosimboahangy”.

Araky ny antotanisa azo tamin’ny taona 2001 dia mahatratra 21000 ny isan’ny mponina ato amin’ny distrikan’Andilamena .

   Andilamena dia anisan’ny nosokajiana ho anisan’ny faritra mena (zone rouge) satria distrika anisan’ny anjakan’ny asan-dahalo, ny fiompiana omby, ny fambolena vary, ny fambolena voanjo ary ny vatosoa isankarazany no mampalaza an’Andilamena ka izany no antony ahitana an’ireo karazam-poko rehetra aty. Hita aty Andilamena ihany koa ireo karazan’olona maro avy any amin’ny firenena avy any ivelany toy ny: Thaïlandais, Chinois, Sri-Lankais, ireo Afrikanina maro tsy voatanisa ankoatry ny Malagasy sns…………(businessman vatosoa: rubis, saphir, crystal sns……...)

    Amin’ny fisian’ity “carrière” fangadiana vatosoa ity eto Andilamena dia maro ny vahiny no miditra eto ary mazàna dia lasa tafajanona eto izy ireo; maro ihany koa ireo ray aman-dreny no mampiasa ireo zanany hitady vola any an-kariera noho ny tsy fisiana;  eo ihany koa ny ditran’ireo ankizy noho ny fivoarana izay misy entin’ireo vahiny ireo dia lasa mitsoaka any an-kariera ny ankizy sy ny tanora satria any mora ahitana vola; hany ka maro no tsy mianatra.