RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.

FANDRIAMPAHALEOMANA

Andilamena dia  anisan’ny voasokajy ho anisan’ny faritra mena satria anjakàn’ny asan-dahalo, anisan’ny vakoka fanaon’ny Ntaolo aty amin’ny faritra Anosimbohangy (Andilamena) ny fangalarana omby satria araky ny lovan-tsofina dia tsy lehilahy raha tsy mangalatra omby; ary fady ny mangalatra omby latsaky ny zato. Ankehitriny anefa izany dia efa tsy eken’ny fitondram-panjakana intsony satria misy ny lalàna ifampifehezana eo amin’ny samy Malagasy; ary Andilamena dia anisan’ny voasokajy ho Malagasy satria ato anatin’ny faritr’i Madagasikara.
   Na dia eo aza anefa ny lalàna mipetraka dia mbola maro ihany ireo maningana satria vitsy tsy mahasahana ny distrikan’Andilamena ny mpitandro filaminana.
   Amin’izao fotoana izao dia efa misy aty Andilamena daholo ny Commissariat de Police sy ny Vondrotobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ary ny Vondrotobim-paritry ny Miaramila saingy vitsy ny mpiasa amin’ireo toby ireo dia tsy mahasahana ny velara-tanin’Andilamena ; hany ka tsy mijanona mihitsy ny asan-dahalo.


     
     Manarak’izany ihany koa dia manana basy daholo ny ankamaroan’ny mpiompy omby sy ny dahalo aty Andilamena,ary indrindra indrindra fa ireo mpiompy omby ireo ny ankamaroany dia mahazo alàlana sady manana taratasy mazava avy amin’ny Solotenan’ny Minisiteran’ny Fiarovana izay misy eto Andilamena amin’izany fitazomany basy izany, hany ka tsy hay intsony izay fihavian’ireo basy miparitaka ireo (basim-borona) satria na ny dahalo izay tratry ny mpitandro filaminana aza matetika dia manana basy toy ireny ihany koa ; ary rehefa atao ny fanadihadiana dia izany mihitsy no tsy mahafoana an’ireo asan-dahalo aty amin’ny faritra Andilamena. 



Ny ankamaroan’ireo dahalo ireo ihany koa dia tanora no maro anisa ;
antony dia eo aloha:
1-Ny tsy fandefasan’ny ray aman-dreny azy any an-tsekoly.
2-Eo ihany koa ireo fomban-drazana teo aloha izay mbola tsy foana tanteraka amin’izao fotoana izao (fady ny mangalatr’omby latsaky ny zato; ary tsy lehilahy raha tsy mangalatr’omby)
3-Ny fidirana amin’ny fanambadiana mbola kely: hany ka voatery mangalatra noho ny tsy fananan’asa satria teren’ny zaza hamorona ny tsy misy.
4-Tsy fahampian’ny fialam-bolin’ny tanora; hany ka lasa mivorivory izy ireo dia manita-kevitra hanao dahalo.
5-Eo ihany koa ny fanaovana ankilabao an’ireo tanora (tsy fitsinjovana ny hoaviny)



   Hatramin’izao ihany koa dia vitsivitsy ny olona sahy mandeha irery miala avy eto Andilamena an-tampon-tanàna miala mankany amin’ireo communes ivelany; indrindra fa ireto Communes 04 ireto:

-Maintsokely
-Marovato
-Maroadabo
-Miarinarivo
      Antony dia masiakabe ny dahalo amin'ireo ireo toerana voalaza ireo; ary ny dahalo amin’ireo dia tsy mitsitsy fa tena mamono mahafaty mihitsy.