RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.

Ny fari-piainan’ny mponina aty Andilamena


Aty Andilamena dia anisan’ny faritra be omby , vary ary harena akibon’ny tany saingy ny mampiasa azy no tsy hain’ireo olona aty noho ny fitazomana be loatra ny fomban-drazana.
Na dia misy aza ireo fianakaviana manana omby miisa 600 na 1000, manana tanim-bary 10ha dia tsizarizary foana ny fiainany.

Inona ary no antony?
Antony dia tsy ampiasaina io harena io fa ampirinina fotsiny, ny fambolena ihany koa moa tsy manara-penitra fa atao amin’ny fomba netim-paharazana; hany ka tsy mamokatra firy na dia midadasika aza ny tany ambolena.
Tsy fantany ny hivarotra omby mba hitadiavana vola hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro;hany ka tsizarizary ny fiainana.



Anana na ranon-tsira no mba laoka matetika ary vary foana no hanina fa tsy dia ahitana sakafo miovaova hany ka tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ny ankabeazan’ny ankizy madinika.
Ny trano mazàna dia tsy ahitana afa tsy efitra roa: dia ny iray lakozia sady asiana ny akoho amam-borona, ny efitra iray kosa indray dia efitra fatoriana ary ao daholo ny fianakaviana rehetra no matory, tsy fantan’ny olona aty loatra izany hampiasa seza salon izany ary seza akalana kely ireny no hita ao an-trano.



Ny tena mampiavaka an’Andilamena dia tsy dia mipetraka amin’ny seza loatra ny vahiny fa amin’ny tsihy no apetraka ary efa mahalala an’izany daholo rehefa hivahiny; toy izany ihany koa fa na dia rehefa hisakafo aza dia eo ambony tsihy mipetraka ary atao ambony lambanana ny sakafo.



Ny ankabeazan’ny olona dia tsy miandry hampandrosoina fa tonga dia miditra ary rehefa tafiditra ao an-trano izy dia tonga dia mipetraka ary manontany ny fahasalaman’ny tompon-trano. Tsy dia fahita aty loatra izany trano fandraisam-bahiny izany fa ny vahiny dia azo raisina amin’ny efitra rehetra izay tiana handraisana azy.

 Eo amin’ny lafiny fanabeazana:
Ny mponina aty Andilamena dia tsy dia miraharaha fampianaran-janaka loatra; indrindra fa ny mponina amin’ireto Commune 4: Maintsokely, Maroadabo, Miarinarivo ary Maovato;  antony dia mbola tena mifantoka sy mitazona ny fomban-drazana iny faritra iny;ka ny azy ireo ny zanany dia natao hanampy an’ireo ray aman-dreny rehefa lehibebe afaka miasa, ny zazavavy kosa ampanambadiana mba hahazahoana harena (vola sy omby).



Ny Commune 4: Andilamena , Antanimenabaka, Antanananifololahy ary Bemaintso kosa indray dia efa mba mivoaboatra ihany ary efa mba hita mampiasa ny fomba avy any ivelany indrindra fa ny teknolojia vaovao, efa mifanerasera be amin’ny vahiny ny olona amin’ireo commune 4 ireo dia mba efa resy lahatra ka mampianatra ny zanany any an-tsekoly daholo, eny fa na dia izany aza dia mbola misy ny tsy mahavita noho ny fahasahiranana misy ao an-tokan-trano.



Nefa rehefa natao ny kajy dia: ny 30% n’ny mponina dia saika tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary ny 70% n’ny mponina no nahavita kilasy faha telo na T3

 Loharano sy fomba azoana vaovao marina:
Fihainoana radio ary manarak’izay dia tsy misy afa tsy ny fandehandehanan’ny olona

 Eo amin’ny lafiny fahasalamana
Ny olona aty ihany koa dia mbola tena mirona amin’ny fomban-drazana eo amin’ny lafiny fitsaboana; ary tsy dia mamonjy hopitaly izany ihany koa rehefa miteraka; hany ka maro ny tsy manana copie soram-piankohonana.
Mpimasy no mitsabo ary renin-jaza no mampiteraka;  tsy misy ny fisafoana sy ny fanaovana vakisiny. Vitsy no resy lahatra mamonjy hopîtaly, eny fa na dia resylahatra aza izy dia tsy mandeha nohony hakamoany satria atahoran’izy ireo ihany koa ny biraom-panjakana. Araky ny fanadihadiana izay nataonay ihany koa dia lazain’izy ireo fa mitreritrerona be Rasazy sy ny dokotera dia tsy tianay ny mankany.
Amin’izaofotoana izao dia efa maro ny CSB najoro eny anivon’ireo commune sy fokontany ireo ka izany no antony mety hampiova azy ireo satria efa misy ihany koa aty Andilamena ny ONG mpanentana ara-pahasalamana toy ny ASOS.

Eo amin’ny lafiny finoana:
Efa maro ny fiangonana mijoro saingy tsy mbola betsaka ny kristianina satria mbola manjaka ny fomban-drazana.

Ireo paik’ady iadiana amin’ny fiainana aty Andilamena
-Fiompiana omby sy vorona: gisa, gana.
-Fikaramana any an-tsaha
-Fitrandrahana rubis sy fitadiavana quartz rose any an-kariera

    NB: Aty Andilamena dia tsy dia ahitana mpiompy kisoa firy satria fadin'ny olona aty ny miompy sy mihinana azy io; hany ka ny vahiny ihanyno miompy azy io.
 Maro dia maro ihany koa ny tsy mihinana akoho; ary na dia ny vehivavy tera-bao ireny aza dia tsy mahazo mihinana akoho satria fadin-drazana;mampirisika an'ireo mpitondra mpiteraka sy ny mpitondra marary ny dokotera sy ny rasazy mba hamono akoho ho an'ireo tera-bao sy marary mba hampiakatra ny nono na hahazoan'ny marary hery nefa dia tsy azo amin'izany ny ankamaroan'ny olona satria sao dia ahitana loza hoy izy ireo. Toy izany ihany koa ny atody akoho izay manome hery nefa dia tsy hanin-dry zareo; fady azy ireo ihany koa ny voanjobory.

NY FISOKAJIANA NY MAHANTRA, NY MANAN-KARENA

 

1-Ireo karazana fepetra isokajiana ny mahantra
-Ireo izay tsy manana omby
-Ireo izay tsy manam-bola ividianana tany na omby
-Ireo izay voatery mivarotra ny taniny
-Ireo izay tsy mana-tanimbary volena
-Ireo izay voatery mikarama an-tsaha
-Ireo izay voatery mamonjy kariera hitrandraka rubis
-Ireo izay tsy manan- javatra azo ailika (amidy) rehefa lany ny vary an-tsopitra
-Ireo izay maro anaka
-Ireo vehivavy efa maty vady sy ireo reny mamelona irery ny zanany izay tsy mba manana mpiahyireny.

 2-Ireo karazana fepetra isokajiana ny mpanakarena
-Ireo izay manana omby
-Ireo izay manana tany no mbola afaka mividy koa
-Ireo izay mampiasa olona amin’ny asa an-tsaha
-Ireo izay afaka mampiteraka ny vadiny any amin’ny toerana fampiterahana
-Ireo izay afaka mandefa ny zanany hianatra any amin’ny Lycée na Université


 NY HETAHETAN’NY VAHOAKA ATY ANDILAMENA
Rehefa mba sendra manao fanadihadiana ireny izahay ka manontany olona , ny hetahetan-dry zareo dia tsy misy afa tsy ny fanamboarana ny lalana rehetra mampitohy ny Communes 8 ato amin’ny distrika; ary ihany koa ny fanaovana godorao ny lalam-pirenena faha 3 a (RN3a) izay mampitohy an’i Vohitraivo (Amparafaravola) sy Andilamena; ary ny famakiana ny lalana avy eto Andilamena mankany Mandritsara; manarak’izany hoy ry zareo dia tokony hojerena manokana ny tanora satria izy ireo no manao dahalo mandroba ny omby isan’andro isan’andro izay miteraka fikorotanan-tsainan’ny tantsaha; ary izy ireo ihany koa no hoavin’Andilamena.
Manarak’izany ihany koa dia mba hetahetam-pon’ny vahoakan’Andilamena ihany koa ny tokony handehanan’ny FIDA (Fonds international de développement agricole – FIDA) sy ny UNICEF ary ireo Sampandraharaha hafa ao amin’ny firenena mikambana mankaty an-toerana mba hijery ny zava-misy sy ny fiainan’ny olona aty satria tany lavitra Andriana Andilamena sady voafaritra ho anisan’ny faritra mena, ary mba mila fanampiana sy famonjena ihany koa hono ry zareo araky ny filazany.