RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.

NY TONTOLO IAINANA


Aty Andilamena dia efa simba amin’ny ankapobeny ny eo amin’ny lafiny tontolo iainana satria efa tsy manara-dalàna intsony na ny rotsak’orana aza: any amin’ny volana Janoary mazàna izay vao misy rotsak’orana ; hany ka tara ny fambolena : indrindra fa ny fambolena vary izay mampalaza ny faritra Alaotra , antony dia manjaka dia manjaka ny tevy ala sy ny dorotanety ary tsy fantatr’izy ireo mihitsy izay mety hovoka-dratsy aterany satria tsy nisy haino aman-jery nanentana sy nampahafantatra an’izany mihitsy raha tsy izao, ny olona mahalala ihany koa moa tsy mampahafantatra ;eny fa na dia milaza aza dia tsy henoany satria ny azy ireo dia ny hihinanan’ny omby ireo ahitra maintso mitsiry avy may no kendreny ; ary eo amin’ny lafiny tevy ala kosa indray dia tena mamokatra tokoa ny tany misy ala rehefa dorana ary amin’izao fotoana izao dia efa tapitra tsy misy ala intsony manodidina an’Andilamena noho izay tsy fahalalàna izany, ny hany mba misy ala izao dia any amin’ireo ilany antsinanana mampizara ny fizaran-tanin’Alaotra Mangoro sy ny faritra Analanjirofo.

Amin’izao fotoana izao dia efa manomboka mahalala satria tsy mijanona ny fanentanana ataon’ny haino aman-jery ; ary efa mitsangana aty Andilamena ihany koa ny CSA(Centre de Service Agricole)izay manentana sy mampahafantatra an’ireo tantsaha hiala amin’ny fomba mahazatra izay tsy mahomby intsony eo amin'ny lafiny fambolena sy ny fiompiana ary ny tontolo iainana; indrindra indrindra fa ny fanentanana ny olona tsy handoro tanety sy tsy hitevy ala.izy io dia sampandraharaha iray ao anatin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Ny CSA dia tsy vitan'ny manentana eto amin'ny haino aman-jery MAMI-FM ihany fa mamory vahoaka mitety fokontany ihany koa.