RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.


IREO FOMBAN-DRAZANA TENA MAMPIAVAKA NY FARITRA ANOSIMBOAHANGY (Andilamena)

1-NY HATON-DOHA

Ny haton-doha dia “rasa harena” izay omena ireo olona efa maty; izany hoe harena anjaran’ny maty (zaraina samy manana omby daholo na ny maty na ny velona).


             Rehefa maty herintaona na fito volana na roa taona ny olona aty Andilamena; izany hoe arakaraky ny tompon’ny maty dia tsy maintsy mamono omby ny tompon’ny maty ary ny lohany dia aterina eny am-pasana; ny vatan’omby kosa dia omena ny olona ivelan’ny fianakavian’ny maty.Ny fianakavian’ny maty dia tsy mahazo mihinana an’io omby io.
Atsatoka eo an-tokontanim-pasana ny hazo lava maranitra dia ahantona eo ny lohan’omby.


Fomba fanaovana azy:

Avory ny fokon’olona na ireo fianakaviana dia alavo eo an-tokontanin’ny fianakavian’ny maty ilay omby hovonoina, marihina fa tsy tonga dia vonoina ny omby fa mbola asiana resaka amin’ny razana izay homena azy: izany hoe mbola angatahana fitahiana amin’ny razana. Rehefa vita ny fangataham-pitahiana na ny joro dia vonoina amin’izay ny omby, esorina ny lohany ary aterina eny am-pasana (ahantona amin’ny hazo lava).



Rehefa mitondra an’io lohan’omby io dia arahina hira osika (hira vako-drazana Antanosimboahangy), ary rehefa tonga eny am-pasana dia mbola atolotra an’ireo razana izay homena azy (asiana resaka fanin-droany) fa tsy tonga dia apetaka.
Marihina moa fa ny isan’ny omby vonoina dia arakaraky ny harena misy amin’ilay tompon-drazana ary arakaraky ny fahafoizanao omby maro vonoina ho azy no idiran’ny fitahiana aminao.


Inona ary no antony anaovana an’io haton-dohan’omby io?
Araky ny fomba aty amin’ny faritra Anosimboahangy dia manangatra hono ny maty raha tsy omena an’io lohan’omby io; ary mety hamparary an’ireo fianakaviana na koa mety mamono mahafaty mihitsy aza.
Araky ny lovan-tsofina dia mba manao asa toy isika velona ety ambonin’ny tany ihany koa hono ireo maty any ankoatra ireo ary manana tanim-boly sy tanim-bary any an-koatra any ary io omby atolotra azy io dia mba hampanaoviny ny asany any (asa tany sy manerisa) sady anjarany satria mba olona mpandova toy ny olona rehetra ihany koa izy ireo na dia efa maty aza; ka izany no antony ilazàna azy hoe: “rasa harena”.
Ny tsara hono dia aterina mialoha dieny izy mbola tsy manangatra satria raha andrasana manangatra izy ireo dia mety mamono mahafaty.


Marihina ihany koa fa sorohina madio tsara daholo ny tokontanim-pasana rehefa hanatitra an’io lohan’omby io.
Araky ny finoana aty amin’ny faritra dia tonga mivantana amin’ilay olona havan’ny maty ny fanahin’ny maty mitaky an’io lohan’omby io raha ohatra ka tsy aterina mialoha; ary ny fomba fisehony dia manindry mandry na marary mafy ilay olona.
Raha mbola tsy nanatitra ianao ka hita fa misy marary mafy ny fianakaviana dia efa mahalala ny fianakaviana rehetra fa mitaky omby ny maty; ka mba hisorohana ny loza mety hiseho amin’ny fianakaviana dia aleo aterina mialoha ilay izy.

 

 Eto am-pamaranana dia tsara ny mampahafantatra fa tsy dia fanaon’ny mponina aty amin’ny faritra Anosimboahangy ny manao famadihan-drazana fa ny azy dia ity haton-dohan’omby ity no solon’ny famadihana. Raha sanatria ka sendra misy ny maty na misy ny fahasimban’ny fasana dia amin’iny fotoana fanamboarana fasana sy fandevenana maty vao iny no anomosana ny razana rehetra.

HATON-DOHA (Fomba iray hafa)
Misy ihany koa ny fomba hafa ka tsy vonoina ny omby fa aterina velona; izany hoe: avory ny fianakaviana dia atao ny fombafomba toy ilay teoaloha, tsy vonoina ny omby fa roasina any Ankijàna lavitry ny tanàna, atao eny an-dalana sady mandroaka ireo omby izay hariana ireo ny hira osika (hira vakoka Antanosimboahangy), ary rehefa tonga any Ankijàna mangina any dia atao ilay joro fangataham-pitahiana amin'ireo razana izay homena an'io omby io; marihina moa eto fa rehefa mijoro izay ny olona aty Andilamena dia tsy maintsy miaraka amin'ny toaka.
Lazaina amin'izany joro izany hoe: iny ny anjaranareo dia aza mifanarakaraka ary ambino izahay mba ho vokatra ny vary izay ambolenay ary ampitomboy ny ombinay sisa.
Marihina eto fa ireo omby alefa velona ireo dia lasa "ombidia" ary araky ny filazan-dry zareo tangalamena dia lasa matanjaka be ireo omby ireo sady na dia ny dahalo mpangalatr'omby aza tsy mahazo azy intsony satria efa tafiditra ao anatin'ireo omby ireo ny fanahin'ny maty;   izany fanahy tafiditra amin'ireo omby ireo izany dia afaka hiaro azy na aiza na aiza toerana alehany any anaty ala sy an-tapon-tanety any. Izany hoe raha vao mahita olona ireo omby ireo dia milefa fa tsy toy ireo omby mahazatra ka izany no mampiavaka azy.


 
Arak’izany fomba voalaza tamintsika izany ary dia fantatra fa distrika mbola anjakan’ny fomba netim-paharazana ny distrikan’Andilamena ary mbola sarotra dia sarotra min'izy ireo mihitsy ny hiala raha ity fomba iray ity no resahina, ka am-bava homana ,am-po mieritreritra.

Nanao ny fanadihadiana: R. Maminirina sy ny JRC Andilamena; niaraka tamin'ireo:

 
Tangalamena: RAMALAZATIANA avy ao Andilamena Section III , RATSIMINOZAKA avy ao Andilamena Section II, RATSIMALOVY avy ao Andranotsara Commune Antanimenabaka



2-NY FANAMBADIANA
Aty amin’ny faritra Andilamena dia anisan’ny mbola mitana ny fomba netin-drazana ihany koa eo amin’ny lafiny fanambadiana. Antony dia mbola ny ray aman-dreny no mifidy vady ho an’ny zanany lahy ary izany dia tsy azo lavina satria ny ray aman-dreny dia olona ambony tsy azo valiana kabary. Izy samy ray aman-dreny no mifanamboatra ary tsy maintsy eken’ny zanaka na tianao na tsy tianao izany.
Ny tiana holazaina eto dia tsy manan-tsafidy ny tanora fa ny eritreritry ny ray aman-dreny no tsy maintsy arahina.
Na sitrampon’izy roa ny hivady na tsy sitrapo dia tsy maintsy ekena rehefa ny ray aman-dreny no miteny saingy misy kosa ny marimaritra iraisana dia afaka misaraka rehefa feno herintaona ny nifanambadian’izy roa ka ny entana rehetra ao an-tokan-trano toy ny fanaka dia azon-drazazavavy entina daholo rehefa misaraka, ny vokatra niarahana nanao kosa indray dia zaraina roa mitovy raha ohatra ka tsy nahitana lesoka teo amin’ny an-daniny sy ny ankilany;izany hoe tsy nisy ady nifanaovana fa ilay tenierana teo am-boalohany hoe herintaona ihany isika no mifanam-bady satria tsy sitrapontsika ny nifanambadiantsika fa sitrapon’ny ray aman-drenintsika.
   Araky ny fisian’io fomba io dia lasa ataon’ireo tovovavy amin’izao fotoana hitadiavana harena indray izao ity fanambadiana ity satria rehefa misaraka dia mizara roa ny fananana ary ny fitaovana fanaka fitokanan-trano kosa an-dravehivavy avokoa.
 Na dia eo aza anefa ny fisian’izany rehetra izany dia misy ny maharitra fanambadiana ary misy mihitsy aza ny maharitra mandra-maty satria mitovy ny tadin-dokanga sady mahay miaraka, hany ka mandeha tsara ny fitadiavana sy ny fidiram-bola.

Noho ny fitazomana be loatra ireo fomban-drazana dia tsy dia misy asany sy ilàna azy loatra ny ben'ny tanàna ao amin'ny commune amin'ity lafiny fanambadiana ity satria vitsy dia vitsy ny mpivady no misoratra; sarotra ny fisarahana raha ohatra ka misoratra eny amin'ny biraon'ny commune satria araky ny efa voalaza teo aloha dia atao fitadiavan-karena ny fanambadiana; indrindra fa ho an'ny tovovavy sy ny ray aman-dreny. Izany hoe arakaraky ny fanambadian'ny zanakao vavy matetika no mampisondrotra ny harenanao.

Ny fomba fangatahana vehivavy hatao vady:
Aty Andilamena dia ny vidina vola mihitsy ny vehivavy fa tsy azo angatahim-potsiny satria atakalo omby sy vidina vola aman’hetsiny maromaro na amanapitrisany mihitsy aza; misy ny adivarotra alohan’ny hanomezana ilay zanaka vavy an-dralehilahy; ka raha ohatra ka tsy mifandraikitra amin’ny ady varotra izay ifanaovan’ny roa tonta dia ajanona tsy ampifanambadiana.
  Ny isan’ny omby sy ny vola omena dia tsy voafetra fa arak’izay ifanarahana; ary izany dia antsoin-dry zareo hoe: “didy harena na moletra”.
Rehefa tapaka ny ady varotra dia atao ny fombafomba; ary apetraka any amin’ny ray aman-drenin-drazazavavy ny omby, ary ny vola kosa indray dia ividianana entana ilaina rehetra ao an-tokan-tranon’izy roa izay hivady toy ny lovia, farafara, salon, koveta, sns..........
   Araka ilay voalaza teo aloha dia tsy maintsy manam-bady an-dralehilahy ravehivavy na dia tsy sitrapo aza saingy afaka misaraka rehefa feno herintaona ny fanambadianaary azon-dravehivavy entina daholo ny fanaka rehetra ary mizara roa mitovy kosa ny vokatra niarahana nisasatra raha ohatra ka tsy nahitana lesoka razazavavy.
  Ny antony itondran-dravehivavy ireo fanaka fitokanan-trano rehetra ao an-trano dia satria efa vola natao homena azy teo am-pangatahana azy tany amin’ny ray aman-dreniny ny vola nividianana azy ireny; ka noho izany dia efa nafoy ho azy tamin’ny ady varotra izay nifanaovana iny; toy izany ihany koa ny omby izay nomena napetraka any amin’ny ray aman-drenin-drazazavavy dia tsy azo alaina intsony na dia misy aza ny fisarahana.
  Amin’izao fotoana izao dia efa mihena miandalana ny olona manaraka an’io fomba io satria efa be ny vahiny mitondra fivoarana; ary eo ihany koa ny fisian’ny haino aman-jery izay manentana.
Commune miisa efatra (4) amin'ireo Commune 8 misy ato anatin'ny distrika no sisa tena mbola mitazona azy ity dia ireto avy izany:

Maintsokely.
Marovato.
Maroadabo.
Miarinarivo.

Ny mponina amin’ireo communes 4 voalaza ireo dia tsy dia mbola tia miditra amin’izany fisoratam-panambadiana izany fa vitainy amin’ny fomban-drazana.
Ny communes efatra (4) sisa kosa indray dia efa saika resy lahatra ka ny ankamaroan’ny olona amin’ireo dia efa miditra amin’ny teknolojia vaovao izay avy any ivelany:

Andilamena.
Antanimenabaka.
Antanananifololahy
Bemaintso.


3-NY TSENA

Ny andro alakamisy aty amin’ny faritra Andilamena dia andro fady tsy azo anaovana raharaha eny an-tsaha; indrindra indrindra fa eny an-tanimbary. Koa amin’izay izy natokana ho andro tsy iasàna izay dia io no andro natao hiantsenana hanangonana ny fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro.



Nohararaotin’ireo tanora natokana hitadiavana sipa ihany koa io andro tsena rehefa alakamisy io sady amin’io fotoana io ihany koa no andro itadiavan’ny tovovavy vola amin’ny lehilahy; eny fa ny ray aman-dreny mihitsy aza no mandrisika ireo zanany vavy hivarotena amin’ny ankapobeny; indrindra fa any amin’iny commune Miarinarivo iny satria maro ny mpivarotr’omby avy any amin’ny distrika anatin’ny faritan’i Mahajanga toy Mampikony izay tonga amin’iny Commune iny ary amin’ilay tanàna iray atao hoe: Ambodiadabo no misy ny tsenan’omby rehefa “SABOTSIBE”.
     Ny “SABOTSIBE” dia tsena Sabotsy isaky ny tapa-bolana; izany hoe: tsena andro sabotsy ny tsena amin’iny faritra iny ka raha ohatra “SABOTSIBE” ny tsena androany dia SABOTSIKELY indray ny Sabotsy amin’ny herin’ny androany.
   Tonga ao avokoa ireo “Baonamaro”   tovolahy mpividy omby mpanam-bola, sady mitondra omby hamidy no hijery tovovavy hovidiana ny sasany. Mandeha mihodina ilay toerana ireo tovovavy sady manao lambahoany  , ka izay lehilahy tia sy sahy dia avy hatrany dia misintona ilay lambahoany, avy hatrany dia  manatona ilay tovovavy ka mitondra ilay lehilahy mahasahy ary mankany amin’ny ray aman-drenin’ilay vehivanymanao ny contrat raha mbola kely tsy mahatapaka ilay ankizivavy.
    Anisan’ny ankafizin’ireo “BAONAMARO” (mpivarotra omby) ireo ireny ankizy vavy 11 ka hatramin’ny 16 taona ireny ary sahin’izy ireo vidina amin’ny ray aman-dreniny mahatratra any amin’ny telo hetsy ariary miampy omby roa ny ankizivavy iray ; ary raha mbola virijiny ilay zazavavy dia ambonin’izay voalaza izay ny vidiny. Iarahan’ireo mpivarotr’omby ireo mandra-pahalafony ny ombiny ireo ankizivavy ireo dia alefa mody any amin’ny ray amandreniny rehefa hody. Ny fisian’izany no antony tsy ampianaran’ireo ray aman-dreny ireo zanany vavy aty amin’ny faritra Andilamena; hany ka mbola kely ny ankizivavy aty dia miteraka daholo.




Araky ny hitantsika eo amin'io sary eo ambony io dia mitaizakely avokoa ireo ankizivavy ireo: 14taona , 15taona, 17taona; ary io ankizivavy kely eo afovoany io ihany koa izao dia efa mitondra vohoka ary efa miandry andro hoteraka ary izy mitondra vohoka io dia 12taona nefa ny nono hampinonoana an'ilay zaza hateraka aza mbola vao manomboka mitsiry; apetraka amintsika ny fanontaniana hoe: mba hisy nono ve izy io rehefa teraka satria raha ny filazany dia efa 8 volana latsaka kely io kibony io ary 1 volana eo ho eo sisa dia hoteraka.
Faly mihitsy izy ireo rehefa alaina sary.