RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA                               


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.

NY FIFANDRAISANA

Lalam-pirenena faha telo a (RN 3a) no mampifandray an’Andilamena amin’ny distrikan’Amparafaravola izay samy faritra Alaotra Mangoro ary lalan-tany (route secondaire) ny 42km.

Manarak’izany ihany koa dia lalan-tany avokoa ny mampifandray an’ireo communes miisa 08 ireo ary ratsy dia ratsy ;hany ka sarotra dia sarotra ny hampifandray an’ireo communes ireo amin’ny fotoanan’ny fahavaratra.

Eo amin’ny lafiny fifandraisan-davitra kosa indray dia efa misy aty Andilamena avokoa ireo operateur telephonique miisa 3 eto Madagasikara : ORANGE , AIRTEL ary ny TELMA saingy ny réseau TELMA Fixe kosa dia tsy mbola misy aty Andilamena ; ny tena mampalahelo anefa dia maro dia maro ireo tangoron-tendrom-bohitra aty Andilamena ; hany ka commune miisa 4 eo ho eo no tena rakotr’ireo réseaux 3 ireo.

 Eo amin’ny lafiny haino aman-jery indray kosa dia ny TVM sy ny Radio MAMI-FM irery ihany no misy aty Andilamena ;ary tsy maintsy « onde courte » no andraisana ny RNM satria tsy manana FM aty Andilamena izy; na dia izany aza anefa dia efa mora ny vidin'ny "récepteur satellite"; hany ka efa maro ny manana azy; ary izay tsy maheno radio RNM amin'ny "onde courte" dia mandray amin'ny "satellite"; torak'izany ihany koa ny tsy mahazo TVM amin'ny VHF.


          Amin’ny ankapobeny dia tsy dia sarotra loatra ny manentana ny olona aty Andilamena amin’ny alàlan’ny haino aman-jery satria izy ireo dia mora mandray sady mora resy lahatra ;indrindra fa ireo mipetraka eny ambanivohitra.
Manarak'izany dia efa miezaka manao fanentanana mivantana eny ifotony ihany koa ireo ONG isankarazany ary ny Filoham-pokontany eny amin'ireo faritra sasantsasany tsy tongan'ny haino aman-jery; ary dia tongotra no ampiasaina mitety izany satria amin'ny ankapobeny dia ratsy tsy tongan'ny fiara ny ankabeazan'ireo lalana mampitohy ny communes maro ato anatin'ny distrika.