RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM

RADIO MAMI-FM ANDILAMENA
-Tel:+261 34 18 222 47
              MADAGASCAR
-Agrément n°: 04/007/MTPC/CSCA
          du 09 Mars 2004
-Statistique : n°:9212 133 2002 000 016
-NIF :3000 410 395
-RC n°:0049/A/2009/A-ZAKA


Inscrivez vous à notre newsletter
Email :



Site de l’opérateur partenaire
     → 
http://www.rambika.com 
       (Vaovaon'Alaotra Mangoro) 


Bienvenue dans le monde de MAMI-FM.

NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA


Ny fiompiana omby sy ny fambolena vary ary voanjo no tena mampalaza an’Andilamena.

     Ny fambolena vary

 

Andilamena dia ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro; ary anisany manana velaran-tany midadasika sy lemaka voatondraka azo anaovana izany fambolem-bary izany.Marihina fa ny fambolem-bary anaty rano no tena imasoan’ny olona aty. Amin’ny ankapobeny aty Andilamena dia mbola mifototra amin’ny fambolena netim-paharazana raha ny fambolem-bary no asian-dresaka.

 Hatramin’ny nijoroan’ny CSA eto Andilamena dia efa maro amin’ireo tantsaha ireo no resy lahatra ka miova manao fambolena manaraka ny teknolojia amin’izao fotoana toy ny voly vary maroanaka.Marihina moa fa ny CSA dia tsy mitsahatra manentana an’ireo tantsaha ireo ato amin’ny Radio MAMI-FM isaky ny Talata 18h 30mn amin’ny fandaharana mitondra ny lohateny hoe: TAKARIVA HO AN’NY TANTSAHA.
 Ny CSA Andilamena ihany koa dia tsy manao ambanin-javatra amin'ny fanentanana ny olona eny ifotony (mamory olona) na dia eo aza ny fanentanana ataony amin'ny alàlan'ny radio.


 
Amin'izao fotoana izao dia efa maromaro ny tokatrano no manana KUBOTA na ny Motoculteur hiasàna eny an-tsaha sy hitanterana ny vokatra , ny manamanam-bola indray kosa dia mividy tracteur satria efa resy lahatra izy ireo fa ilaina ny manaraka ny teknolojia; antony dia efa hitan'izy ireo miharihary fa ny fampiasàna azy io dia mamokatra betsaka sady malaky ny asa ary afaka mamboly velaran-tany maromaro.


Ny hany olana aty Andilamena dia ny fiovaovan’ny toetr’andro noho ny fandoran’ny olona ny ala sy ny tanety; hany ka tsy manara-dalàna intsony ny vanim-potoana firotsahan’ny ranon’orana.

NY FAMBOLENA VOANJO
Anisan’ny tena mampalaza an’Andilamena ihany koa ny fambolena voanjo; saingy tsy misy orinasa afaka hanodina an’ireo voanjo ireo aty an-toerana; hany ka amidy mora ;omena ireo mpanangom-bokatra avy any ivelan’ny Faritra.
Marihina fa io fambolena voanjo ataon’ny tantsaha aty an-toerana io dia mbola fambolena netim-paharazana fa tsy mbola misy manao voly moderne akory.


 NY FIOMPIANA OMBY
Anisan’ny tena mampalaza an’Andilamena ihany koa ny fiompiana omby saingy tsy manara-penitra ny fomba fiompiana azy.



Tsy manara-penitra ny fomba fiompiana azy satria atondraka eny an-tsaha fotsiny fa tsy omena sakafo manokana ao am-bala araky ny fanaon’ireo mpiompy moderne. Misy mihitsy ny manana omby aman-jatony ,misy ihany koa aza ny manana aman-drivony. Amin’izy ireo atondraka eny an-tsaha dia marika atao amin’ny fen’ny omby no atao famatarana fa ombin-dRakoto na an-dRabe io omby io.
Ny fomba fanaovana an’io marika omby io dia dorana ny vy izay efa natao marika toy ny soratra na lasitra; ka rehefa mafana mena mivaivay iny dia apetaka eo amin’ny fen’ny omby ka mametaka faritra eo amin’ny fen’ny omby io vy mahamay io dia io no lazaina fa mariky ny ombinao.
Marihina fa rehefa hametaka an’io marik’omby io dia mamory fokonolona satria tsy maintsy atao fantatry ny fokon’olona rehetra toy ireny manao “reconnaissance” an’ireny tany hatao titre eny amin’ny “service topographique” ireny.
Na dia eo aza ity fiompiana netim-paharazana ity dia tsy ataon’ny olona ambanin-javatra ny manao vakisiny an’ireo omby ireo ary vitany tsara ara-potoana daholo ny vakisinin’omby; marihina moa fa misy vétérinaire misahana azy io mihitsy aty an-toerana ary izy ireo dia tsy mitsahatra mandeha satria antsoin’ny tompon’omby.
Manarak’izany dia voasoratra ao anaty cahier daholo ny isan’ireo ombin’ny isan-toka-trano ireo ary lazaina ao ihany koa ny volony sy ny marika.
Misy ihany anefa ny manao fiompiana moderne saingy ireny omby vavy be ronono ireny no ataony.



Olana:
Ny olana aty Andilamena amin’ity fiompiana omby ity dia ny tsy fandriampahaleomana satria mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo noho ny tsy fahampian’ny mpitandro filaminana;hany ka mandry tsy lavo loha amin’izao fotoana ny mpiompy.



Marihina fa rehefa mangalatr’omby ny dahalo aty Andilamena dia omby aman-jatony no angalariny fa tsy mba omby vitsivitsy ary mahalana dia mahalana no misy mangalatr’omby 1 na 2 sy 3.